Zephaniah 3

1Lozan’ ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory! 2Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny. 3Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia
Lopa.
hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela
Na: tsy mamela taolana.
ho tra-maraina.
4Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy. 5Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra. 6Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina. 7Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao
Heb fonenany.
, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao
Heb azy.
; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
8Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ ireo, dia ny firehetan’ ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.

Ny amin’ ny hibebahan’ ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely

9Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina
Heb soroka iray.
.
10Avy any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’ izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy
Na: hitondran’ ny mpivavaka amiko .... ny fanatitra ho ahy.
.
11Amin’ izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’ izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masìna intsony ianao. 12Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany, 13Ny sisa amin’ ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. 14Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy; Ho sondriana
Heb hangina.
amin’ ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy.
18Hangoniko izay manina
Na: efa lavitra.
ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ ny latsa izy
Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran’ ny latsa ireny.
.
19Indro, hasiako amin’ Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ ny tany rehetra
Na: any amin’ ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.
.
20Amin’ izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’ izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ ny masonareo izany, hoy Jehovah.

Copyright information for Mg1865